Fandraharahana: mamono antoka ny fitaterana an-tanety

Anisan’ny miantoka ny toekarem-pirenena ny lalana any anivon’ny distrika, indrindra fa ny lalam-pirenena. Avy amin’io fotodrafitrasa io ny hamaritana ny fotoana lany, ny saran-dalana fandefasana entana, eraky ny tanàna.

Kajian’ny mpandraharaha avy amin’izany lalana izany, indrindra ny masonkarenany rehetra sy ny tombom-barotra ho azy. Amin’ ny maha Nosy an’i Madagasi­kara, ny fitaterana ana habakabaka sy an-dranomasina no miantoka ny fifandraisana any ivelany, ny eto an-toerana kosa, ny fitaterana an-tanety no be indrindra, ny fitaterana an-da­lamby zara raha misy Antana­narivo –Toa­masina, ary anaran-tsy very sisa Fianarantsoa –Ma­nakara (FCE).
Mamono antoka ny mpandraharaha anefa ny fitaterana an-tanety, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Nefa tsy maintsy atao, ary mampiakatra ny vidin’entana. Salanisa aty atsimon’i Afrika, 37 km vita tara isaky ny km2, eto Madagasi­kara, 9,7 km isaky ny km2 tany amin’ny 10 taona lasa, ary ankehitriny azo antoka fa latsak’izay ny lalana azo lazaina hoe “tsara” eto Madaga­si­kara, raha zahana daholo ny lalam-pirenena rehetra. Ny lalamby moa tsy nisy fanamboarana nandritra ny 70 taona, fa izay mbola napetraky ny Frantsay tamin’ny fanjanahantany ihany.
Miantraika goavana amin’ny fitaterana eto an-toerana ny faharatsian’ny lalana sy ny vola lany amin’izany. Mitombo 50 % ny gazoala lanin’ny fiara vaventy iray Antananarivo-Toamasina amin’izao fotoana izao. Amin’ny ankapobeny, mi­tombo toy izay koa ny fandaniana amin’ny kojakoja samihafa, tsy lazaina intsony ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana matetika. Any amin’ny tanàna rehetra saro-dalana, manatombo 100 % na mahery ny lany raha miala avy ao Toamasina ny entana.

Tsy maintsy mandalo eto an-dRenivohitra
Raha entana avy eto Madagasikara ihany, betsaka no tsy maintsy mandalo eto an-dRenivohitra raha ho any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, miantoka ny 95 % ny entana alefa any ivelany. Mbola hafa raha orinasa tsy misy fitaterana, voatery miantoka fitaterana hafa, mampitombo ny masonkarena lany isan-kilao.
Anisan’ny mampitontongana ny toekarena eto Mada­gasikara ny tsy fisian’ny fi­karakarana ny lalam-pirenena. 1000 km ny lalana simba isan-taona, indrindra nanomboka tamin’ny taona 2000 ka hatramin’izao. Nisy ihany ny fanamboarana fa kitoatoa tsy manara-penitra raha ny faharetany.
Nampanantena ny minisiteran’ny Asa vaventy fa ha­nome 78 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena ha­namboarana lalam-pirenena maro. Ho an’ny RN2 manokana, tokony efa manomboka izao ny fikarakarana, rehefa nampiaka-peo ireo mpitatitra.

Ndrina

Partager sur: