Orange sy ny Cementis: fifanarahana ho an’ny “Toeram-ponenana Orange”

Nifanaraka ny Orange Madagascar sy ny Cementis Madagascar momba ny tetikasa sosialy hiarahan’izy ireo. Fifanarahana maharitra ho tombontsoan’ny mponina anatin’ny tontolo misy azy.
Cementis Madagascar anatin’ny vondrona Cemen­tis, malaza amin’ny famokarana sy fizarana simenitra sy kojakoja fanaovana simenitra aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Miara-miasa ny Orange Solidarité Madagas­car sy Cementis Madagascar, vita sonia izany teo amin’i Frédéric Debord, tale jeneralin’ny Orange sy François de Lesquen, tale jeneralin’ny Cementis.
Votoatin’ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, ny Cementis mijery ny lafiny teknika sy ny tetibidin’ny fanamboarana trano, amin’ny fanatanterahana ny lafiny sosialy (RSE)*. Ny fanampian’ny Cementis rehetra ho an’ny tetikasa sosialy apetraky ny Orange Solidarité Madagascar miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Ny tetikasa iaraha-manao, «Toeram-ponenana Orange» sy izay tetikasa nomerika voakasik’izany sy mahazo fanohanana. Maro ny tetikasan’ny Orange Soli­darité Madagas­car momba ny fanamboarana sy fanarenana. Mahakasika ny «Toeram-ponenana Oran­ge» daholo ireo fotodrafitrasa ireo, hahafahana ny misedra ny andro ratsy na fandaharanasa nomerika.
Mitovy fomba fijery ny Orange Madagascar sy Ce­mentis Madagascar eo amin’ny lafiny sosialy. Mbola mi­ara-miasa ireo roa tonta ireo momba ny fanorenana vatsian’ny Orange amin’ny toerana hiasan’ny Cementis.
Marihina fa ny Cementis dia orinasa iray mamokatra sy mizara simenitra aty amin’ny faritra ranomasimbe Indianina, Maurice, La Réu­nion, Mayotte, Co­mores, ary Madagasikara.

Ndrina

RSE* : Responsabilité sociétale des entreprises

Partager sur: