Fihariana : betsaka ny mivelona amin’ny asa tanana

Nanaovana fanadihadiana ireo mivelona manokana amin’ny asa tanana. Nanatan­terahana izany ny fifanarahana nifanaovan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny minisiteran’ny In­dostria, ny varotra, ny asa tanana.
Tao amin’ny foibe misahana ny asa tanana no nanolorana amin’ny antsipiriany momba ny mpanao asa tanana tena matihanina. Mane­rana ny Nosy ny nanangonana antontanisa sy ny tsara ho fantatra momba azy ireo, ny tontolo sosialy sy toekarena, ny faritra ahitana ireo maro anisa. Fantarina avy amin’izany ny fihariana misy ny tsirairay. Fantatra ary fa misy 482 929 ireo tena matihanina manerana ny Nosy (2019), tsy mivelona afa-tsy amin’io sehatra iray io.
Ao ny sasany, manao vadin’asa ny asa tanana, saingy tsy noraisina ho matihanina. Tanjona ho an’ ireo tena matihanina ireo, ny hahazoana fiofanana, ny famatsiam-bola ; ny hahitana lalam-barotra. Faritra ahitana azy ireo betsaka, Matsiatra Ambony, Vaki­nankaratra, Analamanga. Mahaleo tena ny maro, saingy mbola misy ny ivelan’ny rafitra ara-dalàna.

Ndrina

Partager sur: