Herinandron’ny mpifankatia: manavao ny fiainam-pitiavan’ny tanora ny FJKM

Anisan’ny manakorontana ny fiainan-tokantrano ny fanilihana sy tsy fiekena ny hadisoana. “Ny fahaizana mandini-tena sy mahay mandray andraikitra no vahaolana”, hoy ny mpitandrina Razafimanantsoa Heriliva.

Fetin’ny mpifankatia! Ni­karakara hetsika vontom-pitia ho an’ny tanora sy ny mpivady ny kaomitin’ny fiainam-pianakaviana eo anivon’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, omaly. Tanterahina etsy Ana­lakely sy Ambatonakanga izany. Maharitra enina andro ny hetsika. Tanjona ny hanabeazana ny ankohonana, ny mpivady ary ny tokantrano. Mba handray anjara amin’ny fanatsarana ny fiainan-tokantrano sy hamahana ny olana eo amin’ny seha-pitiavana amin’ny ankapobeny ny fiangonana.
Tsy ampy ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady. Mibahana loatra ny olana mianjady amin’ny tokantrano ary miha mitombo hatrany izany vokatry ny rotorotom-piainana. Sahirana ihany koa ny ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny zanany, hany ka manao zavatra tsy ara-dalàna ny ankamaroan’ny tanora vokatry ny firoboroboan’ny teknolojia.
Mitondra lohahevitra ma­ro samihafa izy ireo mandritra ny hetsika. «Ampy izay!” Io ny lohahevitra ho an’ny omaly. Nitondra ny fampianarana tamin’izany ny mpitandrina Razafimanantsoa He­riliva sy Randriamisaina Triomphe. Nitondra vahaolana amin’ny famahana ny olan’ ny tokantrano izy ireo.

Sarotra ny hanova olona

“Sarotra ny hanova olona iray hiala amin’ny ratsy fa­naony”, hoy ny mpitandrina Razafimanantsoa Heriliva. “Miainga amin’ny tenanao ny fiovana, miova ho azy ny hafa rehefa avy eo”, hoy izy nanamafy. Atao amin’ny alalan’ny fandinihan-tena sy ny fiovana izany. Mila ekena ny tsy hanilika ny andraikitra sy ny hadisoana amin’ny hafa. Eo koa ny fananana eritreritra tsara, ny fanekena ny lamina napetraky ny Tompo. Farany, ny fampitsaharana ny hambom-po.
Tonga maro nanatrika ny hetsika ny tanora, teo koa ny mpivady. “Fomba ahafahana manapa-kevitra amin’ny hoavy ny hetsika toy izao”, hoy ny tanora nanontaniana. “Ahafahana miatrika sahady ny olana sy misoroka izany”, hoy ny sasany.
“Zava-poana ny fitiavana raha tsy miaraka amin’ny Tompo. Tsy misy tsara mihoatra ny fametrahana ny fiainam-pitiavanao amin’Andria­ma­nitra irery ihany, mba izy no manome vahaolana eo amin’ny fiainanao”, hoy ny birao eo anivon’ny komitin’ny fiainam-pianakaviana, Ran­dria­nai­voarivelo Beby Hasina.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: