GproDMM : Tokony hampitomboina ny fanafody azo varotana

Tanterahina omaly, mitohy anio, ny zaikabe fahefatry ny Vondron’ny mpivarotra fanafody ara-dalàna na Dépôt de médicament (GproDMM) izay tarihin’ny filohany, Razafi­manantsoa Nandrianina.
Tsy azo ihodivirana amin’ny rafitra famatsiana fanafody ny Dépôt de médicament. Natao hamaha ny olana amin’ny tsy fisian’ny fanafody ilain’ny vahoaka andavanandro, indrindra any ambanivohitra ny fisiany. Any amin’ireo toerana saro-dalana sy tsy mandry fahalemana, tena miasa be izy ireo.
Mahatsiaro ho misedra olana goavana anefa ny Dépôt de médicament noho ny maha kely azy eo anivon’ny sehatra vaventy, eo anivon’ny fiarahamonina. Mila ho very ny hasiny na voazimbazimba mihitsy aza eo amin’ny fahasalamam-bahoaka. Aina anefa ny fanafody ka tokony homena ny toerana maha izy azy ireo toerana fivarotana fanafody ireo.
Manodidina ny 1 500 ny Dépôt de médicament amin’izao fotoana.
Efa tany amin’ny taona 2016 no nijerena farany ny lisitry ny fanafody azo amidin’ireny toeram-pivarotam-panafody ireny. Mivoatra be anefa ny karazan’aretina sy ny filana ka tokony ho efa asiam-panitsiana izany raha ny fanirian’izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: