Toeram-pandraisana razana : 700 000 Ar isan’andro ny sarany

Nisokatra tamin’ity volana ity ny trano vaovao fandraisana razana Home maison funéraire eny Tsimbazaza.” Na­tsan­­gana izany noho ny fahatsapana fa tolotra mano­m­boka ilain’ny mponina izy ity amin’izao fotoana”, hoy ny mpitantana, Ranaivoarisoa Niritiana, omaly. Mandray razana no tena antom-pisiany fa ireo tolotra rehetra manodidina an’izay ao anatin’ny fiatrehana fahoriana koa dia sahaniny avokoa. Mikarakara ny taratasy ara-panjakana ilaina sy ilay razana, mampisakafo sy mampiantrano ny fianakaviana…
Efa misy toeram-pandraisana telo hafa mijoro eto Antananarivo. Manomboka mitodika amin’izay ny mponina. Tsy sakana ny kolontsaina mametraka fa amin’ny fonenany fony fahavelony ihany no andrasana sy mivoaka ny razana, mialoha ny fandevenana. Betsaka ny antony mahatonga ny olona hisafidy ny handray ny razana amin’ny toerana manokana fa tanjona ny hanampy ny fianakaviana amin’ny lafiny rehetra hanamaivana ny vesatra. Afaka mandefa ny razana any amin’ny faritra sy mikarakara ny fampitana mivantana (direct) ny zava-miseho rehetra raha misy havana tsy afaka manatrika noho ny antony samihafa izy ireo.
700 000 Ar isan’andro ny saran’ny fandraisana, fampiantranoana tsotra, ary arakaraka ny tolotra tadiavin’ny fianakaviana ny fifanarahana. Mikatona amin’ny 10 ora alina ny fandraisana mpamangy ary tsy misy ny fiandrasam-paty ho fanajana ny mpiara-monina satria afovoan-tanàna no misy ity toeram-pandraisana vaovao ity.

Vonjy

Partager sur: