Takaitran’i Gezani : Sahirana ny mponin’i Toamasina

Tsy mipaka eny anivon’ny tokantrano sahirana ny fanitso na sakafo, eny hatramin’ny lamba fitafy na fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy, na eo aza ny ezaka ataon’ireo mpitsinjo ny vahoaka tra-doza noho ny rivodoza Gezani.

Manao antso avo amin’ny solontenam-panjakana sy ny BNGRC ny mpanao gazety sy tambajotran-tserasera. Aiza avokoa ireo fanampiana fa mbola betsaka ireo sahirana rava trano tsy manana fahefana hanamboatra ny simba, matory ma­nao tafo lanitra?”, io ny fanontaniana mipetraka. Vokatr’iza­ny rehetra izany, fianakaviana iray nitrangana fahoriana noho ny tsy fatoriana an-tokantrano mitafo tsara sy tsy fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Tsy manana fahefana hitsabo tena na amin’ny hopitalim-panjakana aza izy ireo noho ny tsy fisian’ny vola. Namoy ny zafikeliny vao 3 taona, ny alarobia maraina teo ny renim-pianakaviana iray. Voatery napetraka eo an-tokotany malalaka ny razana, tao amin’ny fokontany Dépot fahefatra, satria tsy misy ny trano sy fandriana hametrahana azy. Nandray andraikitra, vantany naheno io vaovao mampalahelo io, ny minisitry ny Mponina sy firaisankina, Voahanginirina Ca­thia. Nasiam-panamboarana iha­ny koa ny tranon’ilay renim-pianakaviana. Nambaran’ny mpanara-baovao fa lesoka avy amin’ny sampandraharaham-paritra ao Atsinanana ny tsy fahombiazana amin’ny fitsinjarana ny fanampiana.

Sajo

Partager sur: