Any Frantsa : azon’ny tanora alaina eny amin’ny farmasia ny fimailo

Nanomboka ny fiando­han’ny taona teo, afaka maka fimailo maimaimpoana eny amin’ny farmasia ny tanora latsaky ny 26 taona any Frantsa. Paikady noraisin’ny fanjakana frantsay hampidinana ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST) tsy voaaro izany. «Nahatratra 2 tapitrisa sahady ny fitaovam-piarovana nozaraina», hoy ny minisitry ny Fahasalamana, François Braun. Tsapa fa niakatra ny taha ho an’ny tovovavy latsaky ny 25 taona, ny taona 2018. Nahatratra 3,2 amin’ny tanora 1000 no voatily fa
voan’ny Chlamydia. Niakatra ho 5,2 ny taha ny taona 2021. Manatombo avo roa heny avokoa ny taha ho an’ny roa taona teo amin’ireo tovolahy. Nihena ny fahatokisan’ny tanora ny fahombiazan’ny fimailo nandritra ny taona 1990-2010. Na izany aza, taorian’ny fanadihadiana ny taona 2016, mbola ny fimailo ihany (45,6%) no fitaovam-piarovana tena ampiasain’ny tanora 15-19 taona any Frantsa.
Eto Madagasikara, ambony ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro izay manamora ny fahazoana ny Vih/Sida, araka ny nambaran’ny mpitsabo. Mampiasa fandrindram-piterahana ny 34,1% amin’ny tanora 15-19 taona efa ma­nam-bady ka tafiditra ao ny fimailo. Ao anatin’ny vehivavy 10 maty isan’andro vokatry ny fitondrana vohoka na ny fahasarotan’ny fiterahana, ankizivavy avokoa ny telo. Vahaolana nosafidiana ny nanokana toerana ao anatin’ny CSB handraisana ny adolantsento sy ny tanora 13 taona no ho miakatra mila torohevitra momba ny fisorohana ny vohoka sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Misy koa ny toeram-pi­tsaboana tsy miankina manao tantsoroka ny tanora momba ny fananahana ara-pahasalamana (SRA) sy manome fi­mailo maimaimpoana.

Vonjy

Partager sur: