Hanatsarana ny fampianarana ambony : Nidinika niaraka ny minisitera sy ny sekoly tsy miankina

Niantso dinika tamin’ny tomponandraikitry ny sekoly tsy miankina misehatra amin’ny fampianarana ambony ny mpitantana ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, omaly, teny amin’ny Akademia nasionaly Tsimbazaza.

Tanjon’ny fihaonana ny hampahafantarana ny lalàna manan-kery sy ny lamina tokony hatao hijerena ny tsy fetezana samihafa. Afaka nifampihaino ny mpivory rehetra. “Manomboka izao, tsy misy intsony ny gaboraraka sy ny goragora”, hoy ny talen’ny Fankatoavana sy ny kalitao, Rakotoniaina Beari­soa. 16 ny oniversite miankina amin’ny fanjakana manerana ny Nosy, tsy hahasahana ny tanora afaka bakalorea isan-taona ny isany. Zava-dehibe, noho izany, ny fisian’ny sehatra tsy miankina manampy amin’ny fampianarana ambony. 200 mahery ny sekoly tsy miankina. Tafiditra ao koa ny sekoly manofana ho paramédicaux, manome fiofanana amin’ny faritany enina, izay nahatonga solontena avokoa. Nentanina izy ireo momba ny fepetra tokony hajaina.
Nisy ny fitsirihan’ny minisitera teny ifotony momba ny kalitaon’ny fampianarana, ny fitantanana ary ny fotodrafitrasa. Nahitana ny tsy fahatomombanana ka niteraka ny fangatahana fihaonana amin’ny sehatra tsy miankina izany.
Anisan’ny niompanan’ny dinika ny fahazoan-dalana hisokatra, “habilitation”, ma­nan-kery mandritra ny dimy taona, mila havaozina ao­rian’izay. Maro ny sekoly ambony tsy manavao izany nefa tsy manan-kery ny diplaoma omeny rehefa lany daty ny “habilitation”. Tsy misy ny “equivalence” omen’ny minisitera momba izay. Ma­sontsi­vana takina ny kalitaon’ny fanofanana, fitantanana ary ny politikan’ny fikarohana ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Manezaka ny avy amin’ny minisitera ny hanafainganana ny fikarakarana taratasy rehetra momba ny habilitation, nefa nanamarika kosa ny tomponandraikitra fa tsy ho raisina intsony ny dossier tsy mahafeno fepetra manomboka izao.

Vonjy

Partager sur: