Sampana Ingénierie minière : Napetraka ny vatofototry ny tsangambato

Nosokafana omaly, tamin’ny fametrahana ny vato fototry ny efitrano vaovao ho an’ny mpampianatra ny fanamarihana ny faha-50 taona nanofanan’ny Ingénierie minière, injeniera momba ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. 800 mahery no nivoaka teny amin’io sampana io ary misehatra amin’ny orinasa goavana eto Madagasikara sy any ivelany ny ankamaroany. Nitondra fampandrosoana ho an’ny firenena koa izy ireo, satria nandritra ny fotoana nitantanany ny teo anivon’ny minisitera misahana ny harena an-kibon’ny tany no nivoahan’ny cadastre minier, code minier 2005 sy code minier 2023.
Fanantenan’ny mpitantana ny sampam-pianarana io sy ny mpianatra ho injeniera ny hisokafan’ny orinasa goavana maromaro mitrandraka harena an-kibon’ny tany. Efa nomena ny “permis” hitrandrahana vy ny ao Bekisopa (Fianarantsoa) ary mbola misy orinasa maromaro efa hangataka hitrandraka ka mandinika ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany ny minisitera mpiahy amin’izao fotoana izao. Mitady injeniera avokoa ireo orinasa vaovao ireo. “Manomana koa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa hanofanana tanora amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Terena ireo orinasa ireo handray mpiasa malagasy satria efa miezaka ny ingenierie minière manofana olona matihanina mahafehy ny fitrandrahana”, hoy ny profesora Rasolomanana Eddy, mpampianatra ary talen’ny Ecole doctorale manofana ho dokotera sady talen’ny Institut des mines, géologie et pétrole eny Ankatso.

Vonjy

Partager sur: