Nifamonjy rehefa nilatsaka tao anaty lavaka feno rano ny zazavavy roa tao Manakara, ny alahady maraina teo. Teo amin’ny toerana fisasan’ny olona izy mirahavavy izao tra-doza izao. Nisy vato malama mipetraka teo amoron’io lavadrano io. Nanitsaka izany ilay zandriny ka nilatsaka tao anaty lavaka. Niezaka namonjy ary nisintona ilay zandriny ny zokiny. Nisolifatra koa anefa ka indray nalentiky ny rano tao anaty lavaka izy mirahavavy. Nampandre ny manodidina ny naman’izy ireo ka niezaka nanavotra ireto farany. Indrisy anefa, namoy ny ainy ireto mirahavavy tra-doza ireto. Efa nalain’ny fianakaviany tamin’io andro io ihany ireo vatana mangatsiaka.
Tsiferana R.