Judo-Tomakazu Iwahori: hitohy ny fifampizarana amin’ny mpikatroka malagasy

Tsara sitrapo japoney, nitondra anjara biriky teo amin’ny tontolon’ny Judo malagasy, nanomboka tamin’ny taona 2022, i Tomakazu Iwahori. Mbola hotohizany amin’ity taona 2023 ny fiaraha-miasa.

Anisan’ny angady nananana tamin’ny vokatra tsara nentin’ireo judokas malagasy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ta­min’iny taona 2022 iny, ny traikefa ara-teknika nomen’ny manam-pahaizana Tomakazu Iwahori. Niara-nisalahy ta­min’ny tale teknika nasionaly, Andriamasinoro Mamy, ha­trany izy, nanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpikatroka malagasy. Mbola hotohizana bebe kokoa ny fifampizarana amin’ity taona 2023 ity, ka hampiavaka izany indrindra ny fizarana traikefa any amin’ ny faritra ivelan’Antanana­rivo. Raha ny fandaharam-potoana, hihazo an’i Toliara i Toma­kazu Iwahori, ny 14 marsa izao ary hanome fampiofanana mandritra ny enina andro. Ho any Toamasina kosa izy hanohy ny fizarana, ny 8 hatramin’ny 14 mey izao. “Tomakazu Training Camp” ny anaran’ny fampiofanana hataony ka izy tenany mihitsy no hiditra an-tsehatra amin’ny fanomezana fanazaran-tena ireo judokas mala­gasy.
Mitarika ny ekipa nasionaly

Mialoha ny handehanany any amin’ny faritra, mitarika ny ekipa nasionaly sy manome fanazaran-tena manokana eny amin’ny AS Saint Michel Amparibe i Tomakazu Iwa­hori. Inefatra isan-kerinandro izy no mizara izay traikefany izay, ny alatsinainy, talata, alakamisy ary zoma. Tsy i Toliara sy i Toamasina irery ny hisitraka ny fifampizarana homen’ity tsara sitrapo japoney ity fa efa manomana ny fandehanany any amin’ny faritra hafa ihany koa amin’izao ny federasiona malaga­sin’ny Judo. Hisy ny “staring time” hiarahan’i Tomakazu Iwahori amin’ny mpanazatra nasionaly malagasy aorian’ny fidinany any amin’ny faritra. Tsiahivina, fiaraha-miasa amin’ny JICA Madagascar izao fifampizarana hoentin’i Tomakazu izao ho an’ny judokas malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: