Hiditra amin’ny lalao miverina, amin’ny fanomanan-tenan’ny lalaon’ny Nosy, anio, ny ekipan’i Mayotte sy ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena malagasy GNBC. Lalao hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahivina fa efa resin’ny GNBC tamin’ny isa 61 no ho 54 ny ekipan’i Mayotte, ny talata 7 febroary lasa teo ka izao hanamafy ny fandreseny fanindroany izao indray anio.
Niatrika ny lalao miverina, nanoloana an’i Mayotte ihany koa, omaly, ny ekipan’ny Cospn. Raha ny voka-dalao, resin’ny Cospn tamin’ny isa 73 no ho 71 ny ekipan’i Mayotte. Araka izany, samy nahazo fandresena iray avy ny ekipa roa tonta. Ho amin’ny rahampitso, hitambatra ny Cospn sy ny GNBC ka hifandona amin’ity ekipan’i Mayotte, manoman-tena eto amintsika ity.
Mi.Raz