Mitohy anio ny fampiofanana sy fizarana traikefa ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana miandraikitra ny fitsaboana ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalandra (AVC), toy ny kinésithérapeute, neurologue, anesthésiste réanimateur, orthophoniste, ergothérapeute… eny anivon’ireo hopitaly lehibe. Anisan’izany ny eny amin’ny CHUJRB, CHUJRA, CenHoSoa ary ny CHUAM.
Fiaraha-miasa amin’ny ONG Doctors For Madagascar, amin’ny alalan’ny tetikasa Mafy na Manatsara ny fisorohana-manatsara ny fitsaboana, izany.
Sady fiofanana no fanamafisana fahaiza-manao sy fizarana traikefa eny an-tsehatra no natao. Fidinana ifotony teny anivon’ireo sampana voakasika ao amin’ny hopitaly, miainga amin’ny sampana vonjy taitra ka hatramin’ny sampana fanarenana sy ny fanaraha-maso maharitra izany. Tanjona ny hanatsarana ny fandraisana an-tanàna ny olona tratran’ny fahatapahan’ny lalandra sy famantarana ireo fambara mialoha ny AVC. Fanamafisana ny fandraisana andraikitra haingana sy fampihenana ny voka-dratsin’ny AVC ihany koa no tanjona.
Raha tsy voavonjy haingana, mety hampitondra takaitra na hitarika amin’ny fahafatesana mihitsy ny fahatapahana na ny fahatsentsenan’ny lalandra. Ilaina ny mijery ny tosidra matetika hahafahana misoroka izany.
Tatiana A




