Antsalova: Raim-pianakaviana maty voatifitra

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo ny raim-pianakaviana iray, tao Ambaravarantany, kaominina sady distrikan’Antsalova, faritr’i Melaky, ny 27 avrily teo. Miala 2 km mivoaka ny tanàna io toerana nifanenan’ny dahalo tamin’ny olona nanaovany herisetra io. Roa lahy no lasibatra tamin’izany, araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana. Tsy tana ny ain’ny lehilahy iray taorian’ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy azy. Tetsy ankilany, naratra ka voatery nentina any anivon’ny hopitaly CHRD Antsa­lova ny lehilahy iray hafa. Manom­boka mahazo vahana indray ny asan-dahalo ao amin’io distrika io rehefa nilamina nandritra ny taona vitsy, hoy ny mponina any an-toerana. Miaina anaty tebiteby ny mponina na dia eo aza ny fandraisana andraikitra ataon’ny mpitandro filaminana. Hiso­rohana ny asan-dahalo sy hahafahan’izy ireo manamafy ny fandriampahalemana ao Antsalova, hanatanteraka fivoriambe ny fokonolona, amin’io herinandro io. Hiara-hikaroka vahaolana maharitra izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: