Mitentina 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola omen’ny Banky iraisam-pirenena hanarenana ny fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ny lalamby mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, mirefy 371 km. Ny fanamboarana seranan-tsambo manakaiky ny renivohitra mba hanamorana ny fivezivezen’ny entana. Eo koa ny fanarenana ny seranan-tsambo ao Mahajanga sy Toliara. Ao anatin’ny tetikasa ny hanokafana sy hanarenana 200 km amin’ny lakandranon’i Pangalane, ao amin’ny faritra Atsinanana. Ankilany, hanatsara ny fahaiza-miatrika ny loza voajanahary any amin’ireo seranam-piaramanidina ao Toamasina, Taolagnaro ary Toliara ny tetikasa. Mahatratra 3,8 tapitrisa ireo olona hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa. Hanamora ny fivezivezen’ny entana izany ka handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Hanampy ihany koa ny fifandraisan’ireo faritra samihafa ho an’ny fampandrosoana ny toekarena.
Toekarena
Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny fotodrafitrasam-pitaterana, noho izy manohana ny varotra anatiny. Mandray anjara ihany koa amin’ny fitaterana sy ny fanondranam-bokatra ary mampiroborobo ny fizahantany eto amintsika. “Laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara ny fanatsarana ny fitaterana satria mbola sakana lehibe ho an’ny fampananana asa sy ny fampandrosoana ny toekarena ny tsy fahampian’ny fifandraisana”, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Hery. Ankoatra izay, nambaran’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, i Atou Seck, fa ” tanjon’ny tetikasa ny hananana rafi-pitaterana maharitra ho an’ny Malagasy. Kendrena ny hanatsara ny fifandraisan’ny tantsaha avy any atsimo, ny mpanjono avy any atsinanana ary ny mpandraharaha avy eto an-drenivohitra”.
Henintsoa




