VAOVAO TAMBATRA

Manana valatahaka ahitana fambolena sy fiompiana, ny Sekolim-pirenena ho manamboninahitra lefitra (ENSOA) Antsirabe. Teknika tsotra, mora ampiasaina ary tena mahomby sady azo ampiharina na aiza na aiza no atao. Santionany ny fanodinana ny tain’omby be ronono ho lasa angovo biogazy, ka hihena hatramin’ny 60% ny kitay andrahoana ny sakafon’ny miaramila arivo, isan’andro.

Hiaraka hidina ifotony hijery ny fivoaran’ny asa fanamboarana ny arabe migodana, ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny masoivohon’i Egypta eto Madagasikara, atsy ho atsy. Tanjona ny hifanakalozana traikefa amin’ny sehatry ny fanamboaran-dalana. Anisan’ny nivoitra ireo nandritra ny fitsidihan’ny masoivoho egyptiana, Ramatoa Rabab Abdelhadi, ny minisitra Rafefimanana Sambilasona Richard, ny alatsinainy teo.

Eo am-pamolavolana ny hampandehanana indray ny seranam-piaramanidina any Antsirabe. Nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny oriansa Sogeav sy ny Adema ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo, ny 25 avrily teo. Nodinihina ny fomba fitantanana sy ny fampandehanana ny fotodrafitrasa. Nojeren’ny minisitra koa ny fitaovana ampiasain’ny teknisianin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro any an-toerana.

Partager sur: