« Penthatlon Moderne » : Mikasa hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena

“Vina ny handeha …!”. Nambaran-dRandriamalala Nathalie, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Penthatlon moderne, fa manana fikasana ny hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro ny federasionina.

Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fandefasana atleta malagasy dimy, roa vavy sy telo lahy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, any Hongrie, ny 25- 29 jona ho avy izao.
Ho fiatrehana izany, hisy ny fanomanana an’ireo Mala­gasy mpilalao, amin’ny faran’ny volana mey ho avy io, raha tsy misy ny fiovana farany. “Mbola misedra olana amin’ny enti-manana ny Federasio­nina, satria tsy mampidi-bola. Mbola miankina amin’ny tohan’ny fanjakana sy ny komity olaimpika malagasy (Com), ka rehefa tsy misy ny enti-manana, ho sarotra ny handefa solontena amin’izany”, hoy Randriamalala Nathalie, lehiben’ny Penthatlon Moderne eto Madagasikara. Ankoatra izay, misy fifaninanana iraisam-pirenena roa, dia ny lalao hifanandrinan’ireo firenena maneran-tany, any Portugal, ny volana novambra sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, atsy Egypte, ny volana oktobra.
Tsiahivina fa efa niatrika ny fifaninanana afrikanina, tany Mossel Bay Afrika Atsi­mo, ny volana desambra lasa teo, i Madagasikara, ary nandrombaka medaly roa, volafotsy sy alimo. Ny penthatlon moderne, ahitana taranja dimy, dia ny lomano, hazakazaka lavitr’ezaka, hazakazaka ahitana sakana sy ny “escrime” ary ny tifitra lazer.

Fitia Randria

Partager sur: