Ho fampiroboroboana ny taranja tsipy kanetibe, hikarakara “Grand Tournoi” ny Ligue sport boule Analamanga (LSBA). Hotanterahina eny amin’ny Kianja Para Ivato izany, ny 14 – 17 mey ho avy izao. Natokana ho an’ireo mpiasa tsy manana kara-pilalaovana amin’ny orinasam-panjakana sy ny tsy miankina ary ny mpanao gazety izy io. Io no nambaran’ Andriantsiferana Ravaka, filohan’ny LSBA, teny Ankorondrano, omaly. Misokatra ho an’ireo mpiasa rehetra manerana an’i Madagasikara ny fifaninanana. Hahazo tapakila, hitsangatsanganana any Nosy-Be Hell-Ville, ny ho mpandresy eo amin’ny olon-tokana sy ny olon-telo miaraka. Raha ny fandaharam-potoana, hanokatra ny fifaninanana, ny andron’ny alakamisy 14 mey, ny lalao ho an’ny mpanao gazety, miaraka amin’ny lalao ho an’olon-droa. Ny zoma indray ho an’olon-tokana, ary ny sabotsy sy alahady ny an’ny olon-telo miaraka. Tsiahivina fa manohana ny fifaninanana ny Yas Madagasikara sy ny tranom-piantohana Aro. Efa nisokatra nanomboka omaly ny fisoratana anarana, ary hifarana ny alahady 10 mey ho avy izao.
Tompondaka




