Parkour : Malagasy 5 hanao Mondial

Hatao any Fran­tsa, ny 12 hatramin’ny 17 mey izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Par­kour. Handray anjara faninefany i Madagasikara amin’ity, ka hanana solontena 5 mianadahy (4 lahy sy 1 vavy). Anatin’ ny fanomanana izany tanteraka ireo atleta malagasy amin’izao. Ho fanohanana sy hahafahana ma­nampy ireto solontena malagasy hiaro ny voninahi-pirenena, hatao ny sabotsy 2 mey izao, eny Ambohitrombiha­vana Ambo­himan­gakely, ny Forestival, andiany fahatelo, karakarain’ny kaomisiona misehatra amin’ny fanatanjahantena (parkour). Fotoana io hanangonana vola hanampiana azy 5 mianadahy hahafahan’izy ireo mihazo an’i Frantsa hiatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena goavana ity. Ho feno ny fotoana amin’io satria hisy ny lalao amin’ny taranja maro, toy ny Parkour, foot freestyle, dihy maro isan-karazany. Amin’ny sabotsy, manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny alahady maraina no hanaovana ity “Forestival” ity. Efa misy sakafo sy zava-pisotro eny an-toerana, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.

Mi.Raz

Partager sur: