Potika sy simba avokoa ny entana sy ny fitaovam-pianarana rehetra tao anatin’ny Centre culturel Omar El-Farouk 67 Ha, taorian’ny fanakorontanana nataon’ireo andian’olona, ny talata lasa teo. Simba tamin’izany, ny varavarankely sy ny varavarana ary nakorontana ny taratasin’ny mpianatra sy ny fitaovana tao amin’ny sekoly. Teo koa ny vono nahazo ny filohan’ny Silamo eto Madagasikara (FSM), Absouary Saïd Arsène.
Nanambara ny fifonany am-pahabemaso tamin’ny filohan’ny FSM, mahakasika iny tranga iny, ireo tanora avy amin’ny fikambanana silamo originaire avy any Toliara, izay nosoloin’i Nantenaina Branco, filankevi-pitantan’ny FSM, tena, omaly. “Tsy nahalala fomba sy tsy nahalala ny finoana ara-dalàna izahay ka nanao hadalana izay tsy nifanaraka tamin’ny finoana islamo”, hoy izy. Nohamafisiny hatrany fa asan-jiolahy iny tranga iny satria niditra an-keriny tao amin’ny sekoly ireo andian’olona nanakorontana. Etsy ankilany, manameloka ny fihetsika feno habibiana natao tamin’ny filohan’ny FSM ihany koa ny fikambanan’ny avara-pianarana nianatra tany amin’ireo firenena silamo.
Raha ny fanazavana voaray, nisy fikambanana silamo vao niforona taty aoriana no midongy io sekolin’ny silamo etsy 67 Ha io, ka nanakarama andian’olona namboly korontana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana iny raharaha iny ary andrasana amin’ny 5 mai ho avy izao ny fivoahan’ny didy mahakasika izany.
Mino




