Vehivavy iray tokony ho 30 taona indray no hita faty teny amin’ny reniranon’Ikopa, nanaraka ny fefiloha Ambaniala Itaosy, afakomaly. Nihohoka teo ambony vato ny vatany ary nikirazozaro tany anaty rano ny tongony. Tsy nisy nahalala azy ny olona teny an-toerana. Mbola hita teny aminy avokoa ny fitafiany. Tombanana ho mpanasa lamba ary latsaka tany anaty rano izy ary izao maty izao.
Vola sandoka mitentina 40 tapitrisa Ar, saron’ny zandarimiam-pirenena avy any Ranomafana sy Ambohimanga Atsimo, afakomaly, tany amin’ny distrikan’Ifanadiana. Olona roa no voarohirohy sy voasambotra tamin’izany. Nambaran’izy ireo fa mahatratra hatramin’ny 760 tapitrisa Ariary ny fitambaran’ireo vola sandoka ireo. Tomponandraikitra maro no ahina ho ao ambadik’ireo fanapariahana vola sandoka ireo.
Tafaverina tamin’ny tompony ny omby miisa 300 isa lasan’ny dahalo tany Mampikony, ny herinandro teo. Tratran’ny mpitandro filaminana tany Antsiradava, anatin’ny distrika Andilamena ireo dahalo. Raikitra ny fifanjevoana ka lavon’ny bala, tamin’izany, ny jiolahy miisa efatra. Zandary roa naratra. Dahalo 50 teo ireo nandrava omby tao Andranolava, kaominina Anovilava, distrikan’i Mampikony.
Finday hosoka miisa 473, saron’ny polisy ekonomika niaraka tamin’ ny manampahaizana nalefan’ny orinasa Xiamo, tao amin’ny tranombarotra dimy tetsy Behoririka, afakomaly. Tsy nisy ny solosaina nogiazana. Nisy fitoriana napetrak’ity orinasa ity ary namoaka didy hahafahana manao fisavana ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa ny teo anivon’ny manampahefana. Nanamafy ny eo anivon’ny Fitaleavan’ny polisy ekonomika fa tsy misy idiran’ny Artec ny tranga omaly.




