Miasa tsara, miasa mafy

 

Nahoraka maneran-tany ny fankalazana ny Andro natokana hanomezan-danja ny tontolo sy mpiantsehatra momba ny asa. Samy nanao izay manandrify azy ny tsirairay. Toy ny mahazatra, amin’ny fankalazana samihafa, dia mivadika ho fety foana izany ho an’ny Malagasy. Ankoatra ny kilahadahatra samihafa dia miafara amin’ny fiaraha-misotrosotro sy mihinankinana ny fotoana. Fiarahana manamafy fifankatiavana sy firaisan-tsaina ihany koa.
Tsy ifanomezan-tsiny izay fomba hoenti-manamarika ny Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny asa. Zon’ny mpiasa tanteraka ny miala voly. Antony izay mampahomby sy mampitombo ny famokarana rahateo ny mpiasa milamin-tsaina sy lavitry ny endri-pahasorenana isan-tsokajiny. Raha tiana ny hahazo vokatra, mila mpiasa tony sy milamin-tsaina.
Hahatsiarova filoham-pirenena, hentitra sy masiaka tamin’izany fotoana ilay hoe: « miasa tsara, miasa mafy ». Natao filamatra mihitsy mba hanamafisana ny fanajana ny fitsipi-pitondrantena sy ny lalàna mifehy ny asa. Toa namokatra sy nilamindamina teny Ramalagasy satria nomen-kasina ny « asa ». Ny tsy manaja ny asany rahateo, sady tsy manaja ny tenany no mamono ny ankohonany.
Raha fehezina ny resaka. Mila misikimponitra manaja asa anatin’ny fivelarany manokana ny mpiasa tsirairay. Tsy velon-tena na vola fotsiny ny asa fa mariky ny maha olombelona tomponandraikitra. Manana adidy amin’ny lafiny rehetra. Tsy natao hanandevozana tena anefa fa ny mifanohitra amin’izay aza no tena izy. Ny asa no baikoana fa tsy mibaiko.
Olana matetika, zary ilay asa natao ivelarana, no mangeja ny maha olona, hany ka manempotra. Tsy mahagaga raha misy ny miasa mafy sy mamono tena no zara raha mampidi-bola na mahavelona ankohonana. Ilay natao ho loharanon-tsoa no mahavoa. Mila manova fomba fijery mahakasika ny asa sy ny tontolony.

r.r

Partager sur: