Dingana lehibe ho an’Ambatovy ny fanovana ny tompon’ny petra-bolan’ny orinasa. Ankehitriny, lasa ny Ambatovy mineral resources investment holding company (Amri) sy ny Komir indray no tompon’ny petra-bolan’ny orinasa, taorian’ny namarotan’ny Sumitomo Corporation ny anjarany manontolo. Ity farany izay nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny famokarana ny nikela sy kobalta tao Ambatovy nandritra ny roapolo taona mahery. Ankilany, manana traikefa matanjaka eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ny Amri. Vonona hanohy sy hanamafy ny fototra napetraky ny orinasa amin’ny aroloza, fahombiazan’ny famokarana ary ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ity farany. Izy izay miorina any Angleterre, Royaume-Uni, tahirin’ny Essenwood Partners Limited miaraka amin’ny Zungu Investments. Marihina fa mifantoka tanteraka amin’ny famerenana ny famokarana amin’ny fomba lavitry ny loza sy azo antoka ny orinasa amin’izao fotoana. Mbola manarina ihany koa ireo fotodrafitrasa simba ao amin’ny ozinina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo izy ireo. Marihina fa mpiara-miombon’antoka goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny orinasa Ambatovy.
Henintsoa




