Nifampidinika tamin’ny tomponandraikitra mitantana ny tetikasa “Volobe 2” ny minisitry ny Asa vaventy, Rafefimanana Sambilason Richard, ny alarobia 29 avrily teo. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanehoan’ny fitondram-panjakana ny fahavononany hanohana ny tetikasa “Volobe 2”. Noresahina ny fanokafana voalohany ny fidirana mankany amin’ny tetikasa, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany teo. Eo koa ny tetikasa fanamboarana ny lalana miditra hatrany amin’ny toerana misy ny hananganana ny tohodrano any Ambodilazana. Notsipi-hin’ny mpitantana ny tetikasa fa tsy izy ireo ihany no hisitraka io lalana io, fa ny mponina any an-toerana ihany koa. Hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny fifanakalozana ara-toekarena izany. Miisa efatra ny kaominina mampiasa io lalana io, ahitana an’i Fanandrana, Ambodilazana, Santrandroy ary Ifito. Mbola hisy ny fivoriana stratejika hivondronan’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra sy ny fidinana any ifotony, handrindrana ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo.
Tsiahivina fa mahatratra 120 MW ny herinaratra avy amin’ny tohodrano ho vokarin’ny “Volobe 2”. Manatanteraka azy ny kaompania CGHV. Hitombo 35% ny angovo herinaratra vokarina eto amintsika rehefa ho vita ity fotodrafitrasa goavana ity.
Efa vita ny birao fiasan’ny tomponandraikitra. Hanomboka tsy ho ela ny fananganana ny tohodrano, aorian’ny fahavitan’ny lalana.
Njaka A.




