Vary safiotra – fiofanana tany Chine: Natolotra teny Ankatso ny vokatra

Natolotra tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny oni­versiten’Antananarivo, ny vokatry ny fiofanana narahin’ ny mpampianatra sy mpianatra telo avy amin’ny fakiolten’ny Siansa tany Chine, momba ny vary safiotra. Nisongadina fa azo hampiharina eto Mada­gasikara ny famokarana vary safiotra ka ny vary ampiasaina isan’andro no ampivadiana amin’ny karazam-bary hafa, arakaraka ny vokatra (toetram-bary) tiana ho azo, io ny fanazavan-dRandrianarinjaka Liana. Nandritra ny fiofanana, niainga tamin’ny fototra ny fahalalana nomena. Azo tanterahina eto Madagasikara ny fitrandrahana karazam-bary ka ireo efa misy eto amintsika no ampiasaina. Mila tohanana anefa ny mpikaroka raha tiana hahomby ny fikarohana. Vary eto Madagasikara no avadika ho safiotra ka tsy miova ny toe-tany satria eto ihany no vokarina. Ny “gène” ny vary dia misy fiankinany amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro ary mifamatotra ireo.
“Zava-dehibe ny fametrahana ny banque de gène, toerana hitehirizana ny karazana vary ananana ary misy sokajim-pamaritana mazava ny santionany tsirairay. Rehefa misy ny fotoana ilaina azy any aoriana, azo ampiasaina. Efa manana banque de gène isika fa tsy ahitana karazany maro ao anatiny”, hoy ny Dr Rajao­nera Tahina Ernest.
“Nametrahana tanimbary fanaovana fampiharana ny fikarohana eny amin’ny sekoly ambony momba ny siansa agronomika. Misy ny fampitahana momba ny fampiasana zezika sy ny elanelan’ny foto­am-pambolena hahazoana antontan-kevitra momba ny fitomboan’ny voly”, hoy ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny sekoly ambony mom­ba ny siansa agronomika, Dr Randriamihanta Tiana Her­man.

Vonjy

Partager sur: