Ny tamin’ny alatsinainy monja, trangam-panafihana mitam-piadiana roa no niseho teto Toamasina sy ny manodidina ary samy nandratrana olona sy nahavoaroba fanan’olona tsy manan-tsiny avokoa. Efa sokajian’ny mpanara-baovao ho mirehitra mena ny mari-pamantarana momba ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Mandry an-driran’antsy ny vahoaka. Tranga voalohany ny alatsinainy 27 avrily, ny tao Ambolomadinika, parisela 21/23, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Fito lahy nirongo fiadiana no niditra an-keriny tao an-dakorona mpandraharaha iray mpividy aliminioma sy vy. Raha ny fitantaran’ny niharam-boina, niditra tahaka ireny olona hitondra entana hamidy ireny ny iray tamin’izy ireo. Raha vao tafiditra dia nanapoaka basy avy hatrany. Nandratra mpiasan’ilay mpandraharaha izany bala izany. Ny hafa kosa nandrangaranga antsibe no sady nadrahona hamono raha tsy hamoaka vola ireo norobainy. In-telo niantaona ny poa-basy. Tsy sahy nivoaka ny fokonolona sy ny mpifanila vodirindrina. Ny sasany tamin’ireo jiolahy rahateo manao saron-tava. Vokany, voaroba ny lelavola 7 400 000 Ariary, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny niharam-boina. Adiny iray taorian’ny fandrobana vao nandalo ny polisy fa tsy nisy fanadihadiana. “Mandalova mametraka fitarainana rahampitso”, hoy ireo polisy tonga tao an- toerana.
Ny misasakalina indray, renim-pianankaviana, mpamongady sady manana Cash point iray indray no voaroba tao Ivoloina, mialoha ny fiakarana ny tetezana. Tsy misy valaka tamin’ny tranga tao Ambolomadinika ihany, 7 lahy mirongo fiadiana, basy sy antsibe ihany koa. Poa-basy avy hatrany no hialohavan’ny famakiana trano. Daroka sy vono fandrahonana ho faty no setrin’izany, nahazo an’ilay renim-pianankaviana voaroba.
Sajo




