Pitik’afo avy amin’ny saribao : Levon’ny afo ny akoho fakana nofo

Tato ho ato, saika mirongatra izay tsy izy ny trangana haintrano teto Toamasina, na dia efa potiky ny rivodoza Gezani aza ny ankabetsahan’ny tranon’ny mponina. Antony roa no mahatonga ny firehetana matetika. Eo ny tandrevaky ny asan’ny Jirama amin’ny famerenana herinaratra isan- tokatrano ka mahatonga firehetana tsy tomombana amin’ny tokony ho izy. Ity trangana haintrano tao Tanambao fahadimy, parisela 13/53-54, ny alahady maraina 26 avrily ity kosa dia vokatry ny fatana saribao hanafanana akoho. Nisy arina niraraka nahazo ireo potika hazo (taim-bakoana). Niitatra tsikelikely tao amin’ny efitrano izay misy ny akoho izany, izay anatin’ny trano iray misy ny tompony ihany. Tsy tao an-tokantrano fa lasa nivavaka nefa ireto farany. Vokany, efa niakatra sy nihoatra ny tafo, miseho ety ivelany, izany vao tsikaritry ny fokonolona. Tsy niandry ela kosa dia samy nandray andraikitra ny mponina, nialoha ny fahatongavan’ny mpamonjy voina. Tsy niitatra loatra ny afo. Tokantrano efatra no fantatra fa tena kila. Tsy niandry ela, nitondra fanampiana, vary sy fanintso, ny avy amin’ny kaominina sy ny minisiteran’ny Mponina

Sajo

Partager sur: