Ady… hilaminana

 

Hatramin’izao, tsy mbola mampitovy fijery ny hoe fanavaozana. Samy manao izay saim-pantany? Na sanatria fialana amin’izay nisy hatramin’izay… Eny, na izay mety sy mampandroso aza. Misy ohatra, mpitandro fiilaminana manova fotsiny izao ny lalàm-pifamoivoizana. Nony injay anontaniana, mamaly boribory hoe: fanavaozana izao. Mba marina? Fanovana izay tian’ny tena ve ny fanavaozana? Na anamarinan-tena amin’ny haitraitra sy izay tsy mety ataon’ny tena. Tsy vitan’izany, lasa fanilihana izay tsy mety mila fanovana ny fikaonandoham-pirenena. Zary fanilihana izay tokony ho vita eo no ho eo, na izay tsy tokony hifampiandrasana amin’ny hafa aza… Hanao ahoana?
Marina tokoa ny hoe ny toe-tsaina aloha no tokony hiova. Tsy haitraitra fa mila fahamatorana sy fijerena lavitra. Ho amin’ny tsaratsara sy metimety kokoa ary mampandroso… Tsy araka ny fiheveran’ny sasany mpanatsotra resaka hoe fahavoazana izao fa tsy fanavaozana. Sarotra ny miala ny mahazatra. Tsy mora ary ela ny fidirana amina zava-baovao. Mila famolahan-tena sy fifampitaizana, indrindra faharesen-dahatra. Amin’izany indrindra izao? Mila fanazavana, mba lazaina izay atao ary atao izay lazaina. Inona marina? Izay resy lahatra no afa-mandresy lahatra, izay mahay sy mahalala no afa-manazava… Misy tomponandraikitra tsy resy lahatra sy tsy mahazo antoka izay lazainy sy ataony? Mitsapatsapa, manandranandrana…
Amin’izany rehetra izany, mila mifankahazo ny resaka sy izay atao. Izay no hisian’ny fifampitokisana, fifanomezan-tanana mahalasa lavitra… Tena atao sy irosoana ve
ny fanavaozana. Mila ovaina ny fijery, ny fomba fiasa, ny fifandraisana… Iza no manao inona, aiza ary mankaiza? Aleo hifamarafarana! Na hampiadiana ny hevitra hilaminana…

R. Nd.

Partager sur: