Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ireo roa lahy, tompon’antoka tamin’ny vaky trano teny Itaosy, ny 24 avrily lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy, natolotra ny fampanoavana izy ireo, ary nalefa any am-ponja.
Raha tsiahivina, nisy namaky ny tokantrano iray tao Faliarivo Loharanombato, Kaominina Ambavahaditokana Itaosy ny 24 avrily. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny birao an’ny polisy Loharanombato Ambohimamory ny niharam-boina. Natao ny fikarohana ka azo sambom-belona ny roa lahy tompon’antoka tamin’izany. Izay nahitana mpiasa sy naman’ny mpiambina ao amin’ilay trano ihany.
Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, tsy vao sambany ny tranga tahaka izao tao amin’ity tokantrano voatafika ity. Mandrahona matetika ny tompontrano ireo olon-dratsy voasambotra, noho ny disadisa teo amin’izy ireo. Efa nametraka taratasy mahakasika ny fikasan-dratsiny ireo jiolahy, ka niafara tamin’ny famakiana ny trano izao.
Marihina, manatanteraka hetsika ho fametrahna ny fandriampahalemana toy ny polisy rehetra ny eny Itaosy, ka izao nahitam-bokany izao.
Mino




