Rongony manodidina ny 43 gony, nodoran’ny polisim-pirenena tany Ihosy, ny marainan’ny 30 avrily 2026 lasa teo. Notanterahina teo anoloan’ny seranam-piaramanidina Ihosy izany. Marihina fa nangonina nandritra ny hetsika natao teo anelanelan’ny volana desambra 2025 sy marsa 2026 tany amin’ny toerana samihafa ao amin’ny faritra Ihorombe ireo zava-mahadomelina ireo. Olona maromaro no voasambotra tamin’izany. Nisy ny ezaka nataon’ny polisy miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ao Ihorombe, niaraka tamin’ny Kaomisaria foibe ao Ihosy nahazoana izao vokatra izao. Natrehan’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ao Ihosy, niaraka tamin’ireo solontenan’ny distrika sy ny kaominina ny fandorana.




