Nizara sy nampahafantatra ny fandrosoan’ny asa ataony sy ny fanampiana entiny hanohanana ny vondrom-piarahamonina eny ifotony ny tetikasa Volobe Amont, tamin’ ny herinandro lasa. Nasongadina ny hetsika roa lehibe vitany : ny fampahafantarana ny fivoaran’ny tetikasa sy ny fanampiana ny mpiara-belona taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani.
Voaresaka manokana nandritra ny fihaonana tamin’ ny mpanao gazety tao amin’ny Streamliner ny 24 avrily, ny fandrosoan’ny tetikasa sy ny finiavany hiara-hiasa amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hanatrarana ny tanjona apetraka. Nisy ny tatitra natao mahakasika ny fahombiazan’ny fomba fiasa sy ny vinam-piaraha-miasa samihafa.
Marihina fa vaindohan-draharahan’ny tetikasa koa ny sosialin’ny mponina. Vokany, natomboka ny 21 avrily teo ny fanarenana ny lalana mampitohy an’i Fanandrana sy Ambodilazana izay mirefy 33,8 km. Amin’ny alalan’ny fampandraisan’anjaran’olona miisa 100 no hanatanterahana izany. Maharitra 30 andro ny asa. Nisy ny fizarana masomboly hanarenana ny fambolen’ny vondrom-piarahamonina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza. Nanolotra fampitaovana ho an’ny mpianatra sy ny sekoly any an-toerana, indrindra ny ao amin’ny kaominina Ambodilazana ny tetitasa. Manampy ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana koa izy.
Henintsoa




