DAKA AN-JORONY: Aza manao fary mitety reny

Ny hevitra tera-bary ka samy mamoaka ny ao am-pony. Na izany aza, lanjalanjaina ihany ny volana ambara fa sarotra ny mamerina azy. Manan-danja tokoa eo amin’ny fitondrana ekipa na fitantanana taranja fanatanjahantena ny teny. Misy ny azo lazaina, ao koa ny tsiambaratelo. Ka aleo tsy manao fary mitety reny. Inona àry no dikan’izany sy ny hidirany amin’ny fanatajahantena. Hilazana olona tsy mahatam-bava ny fary mitety reny. Manao trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka. Zava-doza, amin’ny fanatanjahantena ny fisian’ny fary mitety reny. Mazàna, resa-bola no hipoiran’ny olana ary mampifanolana ny atleta sy ny mpitantana. Vokatry ny fisian’ny fary mitety reny, mahatonga izany. Faharavana mitondra any amin’ny fahapotehina mantsy ny tsy firaisan-tsaina sy ny tsy fitovian-kevitra. Tsy vao izao, no andrenesana disadisa eo amin’ny mpisehatra sy ny mpitondra eo amin’ny taranja iray. Vao haingana no niaina nofy ratsy, tamin’izany ny baolina kitra. Efa nisafotofoto tamin’ny rivodoza izany koa ny baolina lavalava. Saika nahenoana izany avokoa na tsy nanakoako be aza, ny ankamaroan’ireo taranja maro. Tsy voafehy mantsy ny fary mitety reny. Tsy ilaina diplaoma be ny fahaizana manavaka ny teny avoaka. Tahaka ny fikororohana vary amin’ny fararano io, ka izay manavaka ny vary amin’ny tsiparifary no mahazo be. Ny fifampitsinjovana no zava-dehibe ka tsy tokony hisy hihinan’ila toa rafi-dratsy. Ny iray, kibon’omby ririnina, mitondra tapany lava. Mitsaha-tsy voky, sakafo sikina ihany. Ny iray kosa manao rapa-dango, mivoky an-tenda, tsy mitety ny lany. Iza àry no diso. Izay manao fary mitety reny.

Tompondaka

Partager sur: