Namoy ny ainy vokatry ny famonoan-tena ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Hitan’ny fianakaviany nihantona tamin’ny fantsona plastika maka endrika tady io lehilahy io. Naharay fampahafantarana an’ilay tranga ny mpitandro filaminana, tamin’ny 8 ora maraina. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ny mpitsabo hanao fizahana ny nofo mangatsiakan’ilay olona voalaza fa namono tena. Efa napetraky ny fianakaviany teo ambony fandriana io olona maty io. «Niezaka nanala azy teo amin’ilay fatorana ny rainy noho ny fanantenana mbola hahavotra an-janany», hoy ny fanazavana voarain’ny zandarimaria. Nogejain’ilay plastika miendrika fantsona mafy anefa ny tendan’ity farany ary nitarika azy tamin’ny fahafatesana, araka ny nambaran’ny mpitsabo nanao ny fizahana.
Tsy fantatra mazava ny anton-javatra nanosika an’ity lehilahy ity hanantona ny tenany tao an-tranony. Mampametra-panontaniana ireo olona akaiky azy rahateo io tranga io. Ahina ho fahadisoam-panantenana anefa izany ka nitarika azy tamin’ny famoizam-po. Manoloana izany, nandray an-tanana ny famotorana ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ankadikely. Marihina fa vehivavy iray hafa koa nikasa hitsambikina avy eny ambony tamboho teto an-dRenivohitra, afakomaly. Avotra soa aman-tsara izy rehefa novonjen’ny fokonolona. Ankoatra izay, vao roa herinandro lasa no nahafaty ilay lehilahy iray nananton-tena tamin’ny tady noho ny fahadisoam-panantenana tamin’ny olon-tiany.
Tsiferana R.




