Ny teo ihany no eo!

 

Hiaka-dapa, anio, indray ny mpikambana ao amin’ny fahefana mpanao lalàna, eny Tsimbazaza. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny solombavambahoaka. Handrasana izay ho fivoarany, fa ny iaraha-mahita aloha, mbola mijaridina tsara ilay andrimpanjakana. Tsy mihontsona amin’izay fitakiana fandrodanana azy, nataon’ny Gen Z.
Raha atao indray mijery, rahateo, mizotra araka ny tokony ho izy ny raharaham-panjakana. Miaina toy ny mahazatra ny sarambabem-bahoaka. Efa miverina tanteraka amin’ny nahazatra ny olom-pirenena. Ny rano maloto, ny jiro tapaka, ny fitohanana lavareny etsy sy eroa tsy afaka fa misy isan’andro. Ny loto noho ny fahatsentsenan’ny lakandrano amin’ny maintany tsy miova. Toy izany hatrany.
Ankoatra ny zava-miseho rehetra, lasa biby « mi-tourne » ny sasany. Naverina indray ny fanao taloha nanonganana ny sasany.  Ny olona no niova sy nihavao, fa ny zava-drehetra dia tafiditra amin’ilay fifanohizan-draharaha. Na tsara na ratsy, samy nodimbiasana anjambany avokoa. Hatreto aloha, tsy hita izay fanavaozana ara-bakiteny. Samy mitondra ny lohany sy mikatsaka ny tombontsoany sisa.
Tsy hay ny ifanome tsiny amin’ny zava-misy! Na manaiky na tsy manaiky ny zava-miseho. Izay avokoa ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Ny manampahefana, manao izay metimety aminy. Ny vahoaka entina, miverina amin’ny gaboraraka sy ny tsy firaharahana lalàna. Manohy ny fomba amam-panao mahazatra: ilay lasibatra lava fa tsy tompon’andraikitra, ilay tsy mba diso fa mpanome tsiny foana.
Malalaka aloha ny banja hatreto, raha ny filalaovana politika sy ny fitondrana ny raharaham-panjakana. Saika baranahiny aza ny eny anivon’ny fiarahamonina eny. Mivadika samy mitondra ny lohany. Mialokaloka amin’ny maha vahoaka madinika ny ankamaroany, hiala amin’ny fampiharana ny lalàna.

r.r

Partager sur: