Vahaolana maharitra! Hafainganina ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro eto amintsika. Notanterahina ny 30 avrily teo, teto Antananarivo, ny atrikasa ho fiaraha-mientana ho an’ny vahaolana ho an’ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Fotoana niarahana tamin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Nasongadin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, nisolo tena ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, fa mifantoka amin’ny andry telo lehibe ny maha zava-dehibe ny fampiasana ny angovo avy amin’ny masoandro. Voalohany, miantoka ny fanaingana ny toekarena, ny fampananan’asa, ny fifaninanan’ny mpandrarahara ary ny fisitrahana ireo tolotra ara-tsosialy ny famokarana. Faharoa, vahaolana ho an’ny tokantrano tsirairay, ireo orinasa, toeram-pitsaboana ary vondrom-bahoaka eny ifotony. Ary fahatelo, vahaolana manoloana ny voina iraisam-pirenena.
Anisan’ny misitraka ny fandaharanasa « Mission 300 », ahitana tetikasa miisa 300 handrakotra herinaratra an’i Afrika i Madagasikara. Manohana izany ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad).
Njaka A.




