Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 2 mey teo, ny zava-pisotro mampatanjaka vaovao, Fosa, vokarin’ny orinasa Star. Vita malagasy 100% tanteraka izy ity. Nahatonga azy nomena io anarana io. Satria bibidia matanjaka, miavaka sady manana ny maha izy azy ny fosa, tsy hita raha tsy eto Madagasikara, indrindra any amin’ny tapany andrefana atsimon’i Madagasikara iny, toy ny any amin’ny faritra Menabe sy Melaky. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Star fa “manasongadina ny toe-tsaina mahery sy sahisahy, natao ho an’ireo mitady hery eo no ho eo sy fientanam-po mahery vaika ny zava-pisotro Fosa”. Anaty fonosana vifotsy (canette) 50 cl. Manaitra ny endriny sy ny lokony. Misy ireo akora mampatanjaka mandritra ny fotoana maharitra (taurine, vitamina ary kafeina). Sahaza ho an’ny besinimaro ny vidiny.
`
Fiara manaitra
Hetsika voalohany nampahafantarana ny zava-pisotro Fosa, ny sabotsy teo, tetsy Analakely, ny fanohanana ofisialy ny fifaninanana Run, Drag Racing Mada. Hisy ny fampirantiana ny fiara manaitra amin’ ireo toerana sasany eto Antananarivo, miaraka amin’ny fizarana santionany sy fanandramana ny tsirony. Hivelatra tsikelikely eny amin’ ny toeram-pivarotana manerana ny Nosy, eny amin’ny tsenambarotra lehibe sy salantsalany, ny vokatra avy eo. Tanjon’ny Star ny hanavao sy hampitombo ny famokarana zava-pisotro mampatanjaka eto Madagasikara amin’ny fananganana marika malagasy vaovao mety amin’ny rehetra.
Njaka A.




