Zokiny indrindra, fa mbola anatin’ny lalao. Noporofoin’ny Da Hopp fa efa mitoetra ny sanganasany, ary manjohy ireo mpankafy. Tsapa eny foana kosa ny traikefan’ny taona maro tanaty mozika.
“Tohiny, fa tsy mbola farany…”, hoy ny nambaran-dry zalahy Da Hopp, taorian’ny seho voalohany nanokafana ny fankalazana ny faha-35 taona an-tsehatra, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny La City Ivandry. Hipoka ny toerana, tsy ireo mpiondana trananiny fotsiny fa nahitana tanora maro mbola latsak’izay 35 taona izay koa tao. Porofo io fa tsy nandalo fotsiny fa mitoetra ao am-po ny sanganasan-dry Da Hopp, tsy ravan’ny taona ary miampita amin’ny taranaka aty aoriana. Rap nahazo taona, fa mbola ilay rap gasy mifantsika, milentika satria miorim-paka.
Izay faka izay, hasongadin-dry Ben J, X-Tah, Sheo ary i Jento hatrany isaky ny mihaona amin’ireo mpankafy izy. “Deep South Style”, hahenoana lokona mozika avy any atsimo, tendren’ny mpanakanto matihanina aoriana, mampiavaka ilay rap gasin-dry Da Hopp. Tsy mahagaga raha toa ka mbola hiaraha-mirendona ry “Aza mijanona mandihy”, “Kay le anona a”, “Izay no mahasalama azy”, sns, na dia efa eo aza ireo hira taty aoriana kokoa. Antony iray namerenan’ny Da Hopp ny rakikira “Fanantenana” izany, ny volana desambra lasa teo.
Ny tsiambaratelon’ny tarika? Angamba ilay fifandraisana amin’ny mpankafy toa mandeha ho azy. Ilay fifandraisana amin’ny ankapobeny mihitsy, satria ny zavakanto aloha no manosika ny tarika.
Nanomboka tamin’ny dihy hip-hop ry MCM Boyz, izay niofo ho Da-Hopp taty aoriana. Namaky lay ny rap gasy hiraina ary mbola nanomboka ny rap tendren’olombelona ihany koa. “Ianareo no nanoratra ny tantara”, hoy ry zalahy mantsy ireo mpankafy azy. Tsy ny fifandraisana akaiky amin’ny mpankafy ihany fa eo koa ireo mpanakanto namana. Niaka-tsehatra Raboussa, naman’ny tarika tao anatin’
izay 35 taona izay. Teo koa i Fitiavana, tovovavy manan-talenta, miangaly ny rap amin’ny teny frantsay no sady milalao saxophone. Zanaky ny mpikambana iray amin’ny tarika izy, izay porofo fa niampita ny talenta ary velona sy mitohy ilay rap.
Ny tohiny? Mbola ho maromaro ny seho anatin’ny fankalazana. Akaiky indrindra ny fandraisana anjaran’ny Da Hopp amina seho iray izay hotontosaina ny 29 mey izao, etsy amin’ny Kianja 13 mey Analakely.
Zo ny Aina




