SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, «XXL Top 12». Mbola nohamafisin’ny CEA Andranomanalina, afakomaly, ny maha mpanjakan’ny kartie azy, rehefa nandavo ny Mang’art Manjakaray, tamin’ny isa 52 no ho 33.

Nandrombaka medaly alimo roa ny delegasiona malagasy niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona, natao tatsy Alexandrie, Egypte, ny 29 avrily hatramin’ny 4 mey lasa teo. Ny sokajy zandriny, U17 sy U20, no nahazoan’ny Malagasy io medaly io. Sarotra kosa ny dian’ny Malagasy mpilalao teo amin’ny sokajy zokiny, sénior.

Voahosotra ho tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny sokajy U18, vehivavy ny Fandrefiala rehefa nandavo ny ASSM tamin’ny isa 49 no ho 38. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Karen, avy amin’ny Fandrefiala.

Partager sur: