Mpianatra miisa 13 mianadahy niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo taorian’ny fihinanana «salade de patte» tao amin’ny toeram-pivarotana hani-masaka iray tao Ambohimandamina. Kaominina Mahajanga, ny 2 mey lasa teo. Voatery nentin’ny namany nihazo ny hopitaly ireo tena voa mafy tamin’io tranga io. Efa manaraka fitsaboana eo anivon’ny CHU Mahavoky Atsimo izy ireo. Araka ny loharanom-baovao, nahare tsiro hafahafa ny mpianatra sasany nandritra ny fisakafoan’izy ireo. Nentin’ny fahatokisana an’io toerana fihinanany io, nanohy hatrany ny fihinanan-tsakafo izay efa teo ambony lovia izy ireo. Narary kibo, nalemilemy avokoa ireo nihinana an’io sakafo io. Mpianatra eo anivon’ny Oniversite Mahajanga avokoa ireo lasibatra ireo. Manoloana ny tranga, efa nisy ny fampandrenesana nataon’ireo mpianatra tamin’ilay tompon-tsena mpanao sakafo masaka. Marihina fa matetika mampivadika ny tsiron-tsakafo ny hafanana tafahoatra. Mila malina hatrany ny mpanao sakafo masaka sy mivelona amin’izany hisorohana ny tranga tahak’ity niseho tao Mahajanga ity.
Tsiferana R.




