Nitrangana fifandonana iray indray teo amin’ny fiara 4*4 iray sy bisikileta tetsy amin’ny digue Soavina Atsimondrano, omaly maraina. Noho ny hamafin’ny fifandonana, naratra mafy teo amin’ny lohany ilay lehilahy nitondra bisikileta. Efa nentina notsaboina any amin’ny hopitaly moa ny tenany taorian’ny tranga. Tsy nisy ny aina nafoy.
Lehilahy iray, 18 taona, maty notifirin’ny zandary teo amin’ny tendany sy amin’ny tratrany, tany Ambanja, omaly maraina. Voaendrikendrika tamin’ny “basy tsy hita” ary voalaza fa nikasa hitsoaka tao amin’ny biraon’ny zandary, ny antony namonoana azy. Nikasa hanatrika ny fanaovana ny fanadihadiana io lehilahy io, ny Assistant parlementaire an’ny depiote voafidy any an-toerana. Hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony kosa ity tomponandraikitra ity.




