Manome asa sy mampidi-bola betsaka eto amin’ny firenena ny sehatry ny lamba. Tokony harovana sy ho marin-toerana haingana izany, mialoha ny vanim-potoana hametrahan’ny mpividy baiko, ny volana jolay. Nivoitra izany nandritra ny dinika stratejika natao tetsy Anosy momba ny “African Growth and Opportunity Act “( Agoa). Fifanakalozana niarahana tamin’ireo mpisehatra voakasiky ny fanondranana. Nasongadina manokana ireo fepetra takina hitazonana ny fifaninana sy ny filàna mitazona rafitra mamela ny fampiasana avy any ivelany. Dinihina tsikelikely ihany koa ny hanamafisana ny famokarana eto an-toerana. Ankilany, hatsaraina ny tontolon’ny fandraharahana mba hanamorana ny varotra, ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena hisarihana sy hanamafisana ny fampiasam-bola.
Tsiahivina fa firenena voalohany mandray ny vokatra avy eto Madagasikara ny Amerikana. Napetraka nandritra ny dinika ireo paikady hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta.
Henintsoa




