Niampy 23 ny mpiara-miombon’antoka manohana ny Tsenabe ho an’ny Fizahantany ITM sy ny Asa tanana IHM 2026. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’izy ireo sy ny Ofisy nasionalin’ny fizahantany ONTM. Fanindroany ity fiaraha-miombon’antoka ity, satria efa nisy hafa tamin’ny voalohany. Tsiahivina fa hatao ny 11 hatramin’ny 14 jona 2026 ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny andiany faha-12 ny ITM sy ny andiany fahatelo IHM.
Nisokatra nanomboka ny alatsinainy teo ny lalana mampitohy ny Vatobe 67 Ha sy ny Coco Plastika Andohatapenaka. Mitohy ny asa, toy ny eo amin’ny Vatobe-Fiantsonana 133-Jovena- Paositra 67 Ha. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR), eo ambany fanaraha-mason’ny DRTP Analamanga, ny fanatanterahana ny asa. Misy ny fandaminana ny fifamoivoizana mandra-pahavita azy tanteraka.
Hampidirina anatin’ny sehatry ny ara-dalàna ireo mpitrandraka eladrano, any Andovoranto, Brickaville. Nampahafantarin’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany (DRMRS) Atsinanana sy ny BCMM Toamasina azy ireo, ny 29 sy 30 avrily teo, ny fehezan-dalàna, ny fananganana ny fari-pitrandrahana, ny fanajana ny tontolo iainana ary ny tsy fampiasana zaza tsy ampy taona, sns.




