Nanao fanambarana teto Antananarivo, omaly, ny Firaisankinan’ny terak’Ibara nasionaly (Fitiba) manoloana ny fanelezana vaovao tsy marim-pototra amin’ny tambajotran-tserasera. Momba ny tale jeneralin’ny Agence portuaire maritime et fluviale APMF, ny inspecteur des affaires maritimes Rainimbahy Jacquis Georges, no votoatiny. Andro vitsy taorian’ny fanendrena azy, niely ny vaovao fa izy no tompon’andraikitra nanome taratasy fitsirihana ara-teknika sy fanomezan-dalana hiandriaka ilay sambo AW izay dobo tany an-dranomasina ary tsy mbola hita hatramin’izao. Voalazan’ny filohamboninahitry ny Fitiba, Andrianirina Pierrot, fa tsy mitombina ny fiampangana satria efa nanao famindram-pahefana tany amin’ny fitaleavam-paritry ny APMF Atsiranana izy, tamin’ ny volana janoary. Ny volana jona 2025 no niseho ny voina nahadobo ilay sambo voalaza. Nisy koa ny filazana fa nanao diplaoma sandoka ao amin’ny APMF Rainimbahy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy nisy nidirany ity raharaha ity. Manampy ireo ny fanasoketana maromaro momba ny trafikana rongony, fanomezana taratasy sambo vahiny, fanomezana vola mpitondra ambony… Manoloana ireo zava-misy ireo, manameloka ny fanasoketana ity mpikambana ao aminy ity ny Fitiba ary manohana sy miaro azy hatramin’ny farany.
Vonjy




