Barikadimy : Vita ny kianja fanaovana basikety

Fotodrafitrasa maro ao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy no nasiana fanamboarana, araka ny fampanantenan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fandalovany tany an-toerana, taorian’ireny rivodoza ireny. Vokany, nandray an-tanana ireo fotodrafitrasa maro ny seranan-tsambon’i Toamasina Spat (Societé du port à gestion autonome de Toamasina). Ny sabotsy 2 mey no vita ny kianja fanaovana basikety ao an-toerana. Tonga nitokana an’izany ta­min’ny anaran’ny fitondram- panjakana ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena misa­hana ny faritany Toamasina, Razara Pierre sy tale jenera­lin’ny Spat, Randriambahoaka Heritiana Anicet. Nambaran’ity farany fa tsy fananam-panjakana ny Spat ka miasa ho an’ny vahoaka. Ilaina kosa ny fikojakojana ireny fotodrafi­trasa vao nasiana fanamboarana.
Nohamafisin’ny VPan, akoatra ny fanabeazana mahazatra dia fitarihana ho anareo mpianatra, hanana fanabeazana ara-batana,
amin’ny alalan’ny fanatanjahantena izao fanolorana kianja izao. Ho tohizana amin’ny fanamboarana kianja ho an’ny baolina kitra izany. Teto dia samy nanamafy ny roa tonta, tonga nanome voninahitra ny lanonana fa hanolotra omby matavy iray avy entina hanatanterahana ny fifaninana basikely eo anivon’ny samy sampam-pampianarana ao Barikadimy.

Sajo

Partager sur: