Nitrangana fitsaram-bahoaka tany Vohitsara, Ampomby, distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, omaly maraina. Lehilahy iray, antsoina hoe: Narcisse, no voalaza sy voaendrikendrika ho nandray anjara tamin’ny famonoana zaza dimy taona tamin’ny fomba feno habibiana, ka niharan’ny hatezeram-bahoaka. Nirohotra nisambotra azy io ny andian-dehilahy an-jatony. Raikitra ny fifanenjehana ary niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ka nitarika tamin’ny fahafatesan’ilay tovolahy izany.
Raha tsiahivina, zazavavy dimy taona no hita faty tsy lavitr’i Vohitsara, ny 27 avrily lasa teo. Nahitana ratra maro tamin’ny tavany, nandritra ny fizahana nataon’ny manampahefana sy ny mpitsabo izany. Nitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Raim-pianakaviana iray, hafa, havan’io zaza maty io no voasambotra, ny talata 5 mey. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay zaza izy. Tamin’io tranga io, efa nikasa hirohotra ho any amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena ao Mandritsara, ny fokonolona an-jatony, avy any Vohitsara Ampomby. Nikasa hitaky sy hamoaka io raim-pianakaviana voatazona sy vosambotry ny mpitandro filaminana io. Nandamina sy nandresy lahatra ny vahoaka ny ben’ny Tanàna ao Kalandy, Andriamandimby Bebe Alin. Nihemotra ireo mponina taorian’ny fifampiresahana.
Mino




