Behenjy: mpangala-bilany nidoboka am-ponja

Efa nigadra enim-bolana, naiditra am-ponja vonjimaika indray ny lehilahy iray mpamaky trano voasambotry ny zandary tao Tsarafara Behenjy, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma 10 febroary teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, nalainy izay azo nobataina ka nifindra tamin’ny tokantrano iray hafa indray izy. Ren’ireo mpivady tao amin’ity trano faharoa anefa ity mpangalatra ity. Raikitra ny sakoroka. Tafaporitsasaka ilay tsy mataho-tody. Name­traka fitoriana avy hatrany ireo lasibatra ny ampitso. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana sy ny andrimasom-pokonolona. Tra-tehaka tao an-tsena noho izany io mpamaky trano io ny zoma. Nentin’ny andrimasom-pokonolona nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminan avy ha­trany izy. Niaiky ny heloka vitany ilay voasambotra. Ilay vilany sisa sarona teny aminy. Efa namidiny kosa ireo bitro sy vorona maromaro. Nia­katra fampanoavana ny alatsinainy teo ny raharaha ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika azy izao.

Tsiferana R.

Partager sur: