TSELATRA

Tsena fivarotan-kazo roa kilan’ny afo tetsy Andravoahangy, omaly tamin’ny 8 ora sy fahefany maraina. Niainga tao amin’ny fivarotan-kazo iray, tao anatiny, ny afo. Tonga teny an-toerana ny vondrona mpamonjy voina vantany vao nahazo antso. Vokany, trano hazo roa no kilan’ny afo tanteraka niaraka tamin’ny entana sy fanaka tao anatiny. Voafehy ny tranga tamin’ny 9 ora latsaka fahefany maraina. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra tamin’ity tranga ity. Afo tao an-dakozia hadino no nahatonga ny firehetana.
Zazalahy iray enina taona niharan’ny vono nataona lehilahy iray tany Ambatovory Fianarantsoa, omaly. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano nisy an’io zaza io izy. Novonoiny sy nodorany ary nokasainy hotsindromina tamin’ny antsy avy hatrany ilay zaza. Tonga tampoka ny renin’ilay zaza ary lasa nitsoaka ilay nahavanon-doza. Efa nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly izy taorian’ny tranga. Mitohy ny fikarohana ny olon-dratsy.
Lehilahy roa naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly. Tratra namaky trano iray teny Vontovorona izy ireo, ny alahady lasa teo. Tsy tao an-trano ny mpivady tompon-trano fa lasa nivavaka. Nahatsikaritra izany ireto olon-dratsy ka niditra sy nangalatra ny entana tao anatiny. Lasany, tamin’izany, ny fahitalavitra, solosaina, sy ny kojakoja maro hafa. Tratra tany anaty taxi-be mihazo an’Anosizato ireto farany.
Voaheloka higadra enim-bolana sazy mihatra i Raissa Razaivola, taorian’ny fitsarana azy teny anivon’ny fonjan’Avaradrano, afakomaly. Tonga nanantanteraka izany ny mpitsara, ny mpisolovava mpiaro ary ny mpirakidraharaha. Ny raharaha nivoahany ny fonja, izay tsy nahazoana alalana ny antony anenjehana azy. Nisy olona telo hafa koa voarohirohy tamin’ity raharaha ity, saingy navotsotra ireto farany noho ny fisalasalana.

Partager sur: