Tena tsy mbola nisy tato anatin’ny 60 taona ara-bakiteny ny ankamaroan’ny zava-mitranga amin’ny tontolo politika eto Madagasikara! Taiza no misy fanendrena mpiasam-panjakana ambony, vao tsy miely akory ny vaovao dia efa manebaka eny amin’ny tambajotran-tserasera ny mpiasa. Mahatonga saina sy mampametra-panontaniana ny zava-miseho? Tombontsoa goavana manao ahoana loatra ny ao amin’ilay minisitera.
Ny very seza entim-po, ny vao mahazo tsy mipetra-potsiny. Na inona na na inona anefa zavatra miseho, mba tokony hisy ihany ny fanomezana herijika ny olom-boatendry. Ny asa vita no ifampitsarana sy hanaovana tombana. Tsy hoe halako bika tsy tiako tarehy fotsiny. Hita soritra amin’ny ranty isan-karazany fa baikoin’ny tombontsoa manokana daholo ny olon-drehetra.
Ilay minisitera mahabe resaka rahateo be vola sy hirangorangoan’ny « mafia » sy ny mpandraharaha te hifehy ilay seha-piharina izay tena anjakan’ny vazaha. Na ny samy vahiny aza izao, miketriketrika avokoa amin’ny olona iarahana miasa. Ilay mpiasa madinika no lalaovin’ny sasany, noho ny antony samihafa. Mahavariana fa tena zarazarao hanjakana ny politikan’ny tomponandraikitra sasany.
Manoloana ny zava-miseho, mila malina sy mailo ny lehiben’ny mpanatanteraka roa lahy. Tokony ho avy any ambony ny fakan-tahaka. Ny fihetsiky ny mpiasa tahaka izao dia porofo fa mahasahy mihantsy ny fanjakana mahefa ny rehetra. Taratry ny faharefoana anefa ny fiverenan-dalana raha sanatria ka isaky ny hanedry olona ao amin’io minisitera io dia hanaiky. Ny toerana hafa tsy mba misy manakiana izany.
Ny azo hambara anefa aloha dia hafakely mihitsy ilay Malagasy, tato ho ato izay. Mipoitra avokoa ny tsy fahita hatrizay!
r.r




