Famokarana : Ambany ny fanarahantsika ny fenitry ny fanondrana

Sakana tsy hahafahana mivelatra sy manitatra ny tsenam-panondranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana “Norme sanitaire et phytosanitaires” (SPS) eo amin’ny vokatra aondrana.

Voakasika izany ny vo­katry ny fambolena (la­vanila, jirofo, cacao) sy an-dranomasina eto Mada­ga­si­kara. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa natao teny amin’ny Sekoly ambony mom­ba ny siansa agronomia (ESSA), Ankatso. “Antoka goavana ha­hafahan’i Mada­ga­sikara mampiroborobo ny varotra sy manitatra ny tsenam-panondranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanajana ny fenitry ny fanondranana”, hoy ny ma­soivohon’ny Von­dro­na eoropeanina (UE), Roland Kobia, omaly, nandritra ny atrikasa teny an-toerana.
Ilaina ny manaraka ny fe­nitry ny famokarana mba ha­natsarana ny varotra sy ha­hafahana mamorona asa ary hampiroborobo ny toekarena. Vahaolana manokatra ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny masoivohon’ny UE, ny fa­na­rahana ny fenitry ny SPS. Tombony ho antsika eto Ma­dagasikara ny fananana ireo loharanon-karena stratejika samihafa izay manampy hi­trandraka ny tsena ao Afrika, ranomasimbe Indianina sns. Tokony ho vitan’i Madagasi­kara ny manaraka ireo fenitra ara-pahasalamana amin’ny vokatra fanondrana. Hetsika hiaraha-mientana amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpandraharaha ho an’ny tombony ara-toekarena izany.
Ifotony

Miainga avy eny ifotony ny fanarahana ny fenitry ny fa­mo­karana. “Tokony hiainga avy amin’ny vokatra anatiny ny fikarakarana ary mipaka hatrany amin’ireo fanondrana izany”, hoy ny Pr Razafimaha­tratra Hery, talen’ny ESSA.
Ankilany, hisy ny iraka avy amin’ny Vondrona eoropeanina hanao fanadihadiana mom­ba ny fanarahana ny fenitry ny famokarana. Hetsika iarahana amin’ireo mpisehatra, hanombanana ny zava-bita sy ireo mila hatsaraina, raha ny fanazavana hatrany.

Henintsoa

Partager sur: